TAGNAMARO BEALANANA

Tsy diso anjara fa indray nifarimbona nanantanteraka ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina ihany koa ny tao Bealanana tamin’ity andron’ny Asabotsy 16 Aprily ity. Ny fanadiovana ny « Résidence » ny Distrika ao an-toerana no natao.

Nanamafy teto ny lehiben’ny Distrika ao Bealanana fa tena : mahomby tokoa ny Tagnamaro izay tontosain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina ity, ka tokony hipetraka amin’ny tsirairay ny lalan-tsaina izay fonosiny.