TAGNAMARO MANAKARA

Fanetsemana sy fikarakarana tavin-janakazo mba ho fanomanana ny taom-pambolenkazo 2023 no TAGNAMARO notanterahina teto Manakara ho amin’ity volana ity.

Izany dia fiaraha-miasan’ny Fitaleavana DRCC amin’ny ekipan’ny Fitaleavana DREDD, sy ireo Sampan-draharaha sy fikambanana ary mpilatsaka an-tsitrapo maro aty an-toerana.