TAGNAMARO VOHIPENO FARITRA FITOVINAGNY

Noho ny fahatsapana fa mbl betsaka ny lalana misy sakana tamin’iny fandalovan’iny rivodoza 2 nifanesy iny, dia niara nihetsika ny mpitondra fanjakana tao vohipeno, izay notarihin’ny delegen’ny serasera sy ny kolontsaina nanao ny tagnamaro amin’ny fanesorana ny fako sy fanatsarana ny lalana Lucien Botovasoa teo amin’ny fokontany Ambohimanarivo.

Nifanome tanana tamin’izany ny fokonolona, ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny societe santantra izay nanome fiara handraofana ny fako.

Isaorana ihany koa ny lehiben’ny distrika izay nanampy sy niaraka amin’ny fokonolona nanao ny asa.