TAGNAMARO TAO BEALANANA

Ny taona 2014 no nisitraka fotodrafitrasa ho azy manokana ny RNM-TVM any Bealanana. Fotoana maharitra anefa dia vasoka ny lokon’ny fotodrafitrasa.

Raikitra tamin’ity andron’ny Asabotsy 15 Oktobra 2022 ity araka izany ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena, ka indray nifanome tànana ny olom-pirenena tao Bealanana, nanajary sy nanome endrika vaovao, ny lokon’ny biraon’ny RNM-TVM any Bealanana.

Tsy nanavahana saranga fa tena tonga mavitrika ny olom-pirenena, ka ahafahana miteny eto fa tena tafapaka amin’ny olom-pirenena ao Bealanana ny lalan-tsaina tiana apetraka amin’ny Tagnamaro dia ny fiareha-mientan’ny daholobe ho amin’ny soa iombonana.