FANAMBOARANA NY “POSTE FIXE” HO AN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA AO AMIN’NY KAOMININA AMBATOSORATRA DISTRIKAN’AMBATONDRAZAKA

FIARAHAMISALAHIN-DRAMATOA MINISITRA MPIAHY, NY ZANDARY ARY NY KAOMININA

Ny lalan-tsain’ny #TAGNAMARO dia azo am-piharina amin’ny sehatr’asa rehetra mifandray amin’ny soa iombonana.

Fifanomezan-tanan’ny hery velona rehetra hanatsarana ny fiainam-piarahamonina no kolontsaina voizina aminy.

Ankoatra ny fanarenana foto-drafitr’asa, na koa ny fanadiovana dia sehatra azo hampiharana azy tsara ny tontolon’ny fampandriana fahalemana ny tanana, izay iantsoana hatrany fiaraha-mientan’ny rehetra.

Io ilay antsoina hoe Tagnamaron’ny Fandriampahalemana.

Ho fanatanterahana ny velirano voalohan’ny Filohan’ny Repoblika izay miompana amin’ny fampandriana fahalemana sy ho valin’ny fangatahan’ny mponina ao amin’ny kaomina ambanivohitra Ambatosoratra, ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro sy ireo kaomina manodidina izay mikaikaika amin’ny tsy fandriampahalemana dia hifanolo-tanana amin’izy ireo sy ny zandarimariam-pirenena, ny ministeran’ny serasera sy kolontsaina ka hiaraka hifarimbona amin’ny fametrahana «poste fixe»-n’ny zandary ao amin’ny kaominina.

Ny trano dia fananan’ny Kaominina Ambatosoratra, saingy efa tranainy sy simba ka ho harenina tanteraka mba handraisana izany «poste fixe» ho an’ny Zandary izany.

Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO kosa no hiantoka ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanamboarana ary ny Zandary no hifanome tanana amin’ny kaominina amin’ny asa.

Androany Sabotsy 11 febroary 2023 no tonga tany an-toerana Ramatoa Minisitra izay mpiahy ny faritra Alaotra Mangoro, nanolotra ny fitaovana ka atomboka avy hatrany ny asa ary haharitra 1 volana sy tapany.

Hamaha olana goavana ho an’ny mponina ao Ambatosoratra ny fisian’ity «poste fixe» ity ao anatin’ny fanatanterahana ny Tagnamaron’ny Fandriam-pahalemana.