TAGNAMARO MANOKANA AMBATONDRAZAKA.

Nanatanteraka hetsika TAGNAMARO tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Alaotra Mangoro niaraka tamin’ny fikambanana ABED Madagascar, androany sabotsy 23 desambra 2023.

Nojerena manokana tamin’izany ireo vehivavy voafonja sy ny ankizy tsy ampy taona. Fanomezana maro samihafa no natolotra ho azy ireo tamin’ity andro ity izay nahitana vary, voamaina, lamba ary sakafo isan-karazany. Nisy ny fiarahana niala hetaheta narahina hirahira sy dihy nentina namalifaliana ireto voafonja ireto. Nisy tamin’ireo orinasa tsy miankina sy fikambanana ihany koa no nitondra anjara biriky tao anatin’izao hetsika izao.