TAGNAMARO DISTRIKAN’I SAKARAHA FARITRA ATSIMO-ANDREFANA

Fanarenana ny làlana simba eo anelanelan’ny CEG sy ny biraon’ny zandary eto an-tampon-tanànan’ny Sakaraha,sy fikapana ireo « raketa » manery làlana ary fanadiovana izany,no asa natao nandritry ny hetsika TAGNAMARO volana Aprily taty amin’ny Distrikan’i Sakaraha,izay notarihin’ny lehiben’ny Distrika sy ny delegen’ny serasera sy ny kolontsaina aty an-toerana.

Noho ny fitarainan’ny mponina amin’ny làlana izay efa ratsy tanteraka,no sady atahorana amin’ny mpanao sinto mahery fa satria maizina takon’ireo tsilo,no antony manokana tena nisafidianana azy ity nanaovana Tagnamaro.

Nandray anjara tamin’izany avokoa ny mpiasa eo anivon’ny sampandraharaha misy eto Sakaraha sy ny avy ao amin’ny fiadidian’ny kaominina,ary nahitana olon-tsotra.