TAGNAMARO TOLIARA I,FARITRA ATSIMO-ANDREFANA

Anisan’ireo lalana maro mpampiasa ity mianga avy eo anoloan’ny Jirama Toliara ka hatreo Ankilifaly ity, ao anatin’izany ireo mpandeha tongotra sy mpivarotra amorondalana ary fiara sy moto ary cyclo-pousse mifamezivezy eto.

Raha ny zava-misy anefa, fako sy rano maloto mihandrona no mameno ity lalana ity.

Manoloana izany dia, teto no nanaovana ny hetsika hetsika TAGNAMARO tamin’ity volana Aprily ity, nodiovina ary natao ny fikojakojàna, sy fandokoana ireo sisin-dalana sy ireo baobab eny afovoany mba ho fitandrovana ny Fahasalamam-bahoaka sy hanome endrika tsara ho an’ny tanànan’i Toliara.

Adiny roa monja dia niova ho tsara sy nadio ity toerana ity nohon’ny fanatanterahana ny Tagnamaro, ilay asa soa iombonana hoan’ny mpiarabelona.

Nanampy tamin’ny fampitaovana ny avy ao amin’ny Kaominina ambonivohitry ny Toliara nano fiara nanalana ny fako, sy ny avy ao amin’ny WHH eto Toliara izay nampindrana borety sy lapely ary kofafa.

Ny hetsika rehetra dia teo ambany fitarihan’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana, nandray anjara mavitrika ihany koa ireo nahazo fanasana tonga tamin’ity fotoana ity, anisan’izany ny solon-tenan’ny mpiasan’ny Kaominina, ny Miaramila, ny Zandary sy ireo olom-pirenena sendra nandalo sy ireo mpivarotra vitsivitsy manondindina fa indrindra ireo mpiara miasa rehetra eto anivon’ny DRCC Atsimo Andrefana.