TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA

DISTRIKAN’I TOLIARA I

Teto amin’ny toby fiantsonanan’ny taxi-brousse eto Tsokobory no nanaovana ny Tagnamaro tamin’ity Sabotsy faha-16 Septambra 2023 ity, ho tombotsoan’ny vahoaka izay mampiasa an’ity toby fiantsonana ity sy ho fitandrovana ny fahasalaman’ireo mpandeha, ary ho an’ireo koperativa ihany koa.

Nodiovina tanteraka ilay toerana, nalana ireo fako maro sy ireo rano mihandrona teny rehetra teny no sady nanao ny fanentanana ihany koa ho an’ireo olom-pirenena rehetra mba ho tia mandray andraikitra rehefa misy zavatra tsikaritra eo amin’ny fiaraha-monina ka mila fanarenana mba ho tombontsoan’ny besinimaro hatrany.

Resilahatra ny rehetra amin’ny soa azo amin’ny fanaovana ny Tagnamaro ka betsaka ny namaly antso toy ny ireo sampandraharaham-panjakana maro samy hafa sy ireo fikambanan’ny mpitatitra sy mpitandro filaminana.

Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana hatrany no nitarika ny hetsika koa tratra ny tanjona, ka lasa toerana mahafinaritra maha tehonina ilay toby fiantsonana eto Tsokobory taorin’ny Tagnamaro natao teto.

Ity no stationnement taxi brousse ampiasan’ireo olona handeha hivoaka eto Toliara ka hihazo an’iny lalam-pirenena faha 9 iny na Rn9.