FAMARANANA TAGNAMARO TAO FARAFANGANA

Fanadiovana faobe, ny tananàn’i Farafangana sy ny moron-dranomasina no namaranana ny « TAGNAMARO MANOKANA FANARENANA »nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny 3 andro notarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO.

Niara-nanao TAGNAMARO tamin’ireo fokonolona, mpiasam-panjakana samihafa ary mpilatsaka an-tsitrapo tany an-toerana androany koa ny Minisitry mpiahy ny faritra Atsimo Atsinanana, Ramatoa Gisèle RAMAMPY Minisitry ny Asam-panjakana ny Asa ary ny fampananana asa no sady Minisitry ny Fitsarana mpisolo toerana.

Saika nahitana TAGNAMARO FANADIOVANA FAOBE avokoa manerana ireo fokontany maro manerana ny distrikan’i Farafangana, ka azo lazaina fa nadio ny tanàna taorian’ny fako betsaka navelan’ny rivodoza.