𝔸𝕄𝔹𝔸𝕋𝕆ℕ𝔻ℝ𝔸℀𝔸𝕂𝔸 | NAHAZO TRANO FAMAKIAM-BOKY MALALAKA SY MANARA-PENITRA NY CEG RAZAKA

Nohavaozina sy nohalalahana ary nomena fitaovana sy boky vaovao haha-manara-penitra azy ny trano famakiam-bokin’ny ℂ𝔼𝔾 ℝ𝔸℀𝔸𝕂𝔸 ao Ambatondrazaka, renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro.

Ny taona πŸ™πŸ‘πŸŸπŸ‘ no nitokanan’ny minisitry ny kolontsaina sy ny zava-kanto revolisionera π”Ύπ•šπ•€Γ¨π•π•– ℝ𝕒𝕓𝕖𝕀𝕒𝕙𝕒𝕝𝕒 ny tranom-bokin’ny CEG RAZAKA.

Ny volana oktobra πŸšπŸ˜πŸšπŸ™ rehefa nandalo nanolotra boky tao ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina dia nangataka ny hanarenana azy ny Talen’ny Sekoly.

Tsy nisalasala ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo nandray an-tanana ny asa fanarenana sy fampitaovana izany trano famakiam-boky izany.

43 taona taty aoriana indray arak’izany vao nisy ezaka fanatsarana sy fanomezana endrika vaovao azy.

Nohitarina ho afaka handray mpamaky boky betsaka ny efitrano famakiam-boky, nolokoina, nosoloina ny varavaram-pitaratra, ary nomena fitaovana sy boky ihany koa.

Nandritry ny fandalovan-π••β„π•’π•žπ•’π•₯𝕠𝕒 π•žπ•šπ•Ÿπ•šπ•€π•šπ•₯𝕣π•ͺ π•Ÿπ•ͺ π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’ 𝕀π•ͺ π•Ÿπ•ͺ π•‚π• π•π• π•Ÿπ•₯π•€π•’π•šπ•Ÿπ•’ tany Ambatondrazaka no nandraisana ny fahavitan’ny asa sy nitokanana izany.

β€œπšƒπšœπš’ 𝚊𝚏𝚊-πš–πš’πšŠπš•πšŠ πšŠπš–πš’πš—’πš—πš’ πšπš˜πš—πšπš˜πš•πš˜πš—’πš—πš’ πšπšŠπš—πšŠπš‹πšŽπšŠπš£πšŠπš—πšŠ πš—πš’ πš‹πš˜πš”πš’Β Β» hoy izy ary tena miavaka foana ny ankizy namaky boky.

Ankoatra izay, notsipihiny fa β€œlehibe lavitra noho ny fandaniana tamin’ny fanarenana io tranom-boky io, ny haren-tsaina ho entin’ny fananana tranom-boky, izay ho apetraka ho an’ny taranaka fara-mandimby”.

Marihina fa ny fanarenana trano famakiam-boky sy fanapariahana ny boky toy izao dia tafiditra indrindra amin’ny anjara asan’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina ho fanatanterahana ny velirano faha 4-n’ny Filohan’ny Repoblika, izay mifantoka amin’ny fanabeazana sy kolontsaina ho an’ny rehetra, ary tafiditra anatin’ny fandaharan’asan’ny minisitera ho fampiroboroboana indray ny vaky boky.

Ankoatra ny mpianatra ao amin’ny ℂ𝔼𝔾 ℝ𝔸℀𝔸𝕂𝔸 dia ho afaka handray ireo mpianatra avy amin’ny sekoly manodidina ihany koa ny trano famakiam-boky vaovao.