TAGNAMARO TOLAGNARO

Fanatsarana ny toerana fijerena baolina kitra ao Ampasimasay (Kianja lehibe eto Fort-Dauphin), izay azo ampiasaina koa amin’ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ,maro samihafa, fa indrindra mandritra izao fialan-tsasatrin’ny mpianatra izao.

Niara-nifanome tanana ireo hery velona rehetra teto Fort-Dauphin izay niara-notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny fiadidiana ny Faritra Anosy, ny Lefitrin’ny Lehiben’ny fileovan’ny Tôlagnaro ary ny Talem-paritrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy.

Maro ny mpiasa-panjakana tonga izay notronin’ireo fikambanana maro samihafa sy mpandraharaha tanora misehatra eo anivon’ny fikarakarana lanonana.

Mikasa sahady ny hikarakara hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolotoraly amin’io toerana io manomboka amin’ny volana ambony , mba hamparesaka ny fialan-tsasatra lehibe eto Fort-Dauphin ireo tomponandraikitra eto an-toerana.