TAGNAMARO DISTRIKAN’I MAHANORO (Faritra Atsinanana)

Niavaka ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena tao Mahanoro ny Sabotsy 18 Febroary 2023 satria dia hametraka tanjona lehibe ny fokonolona, dia ny fanarenana ny Tranompokolona ao Tandroho .

Fitaterana fasika sy vato no niarahan’ireo fokonolona miandahy miambavy nanatanteraka tamin’ny alalan’ny TAGNAMARO.

Tagnamaro ara-bakiteny tokoa no hita teto satria samy nanome tànana ny rehetra nampiasa ireo fitaovana ampelatanany toy ny moto na tosimilina, lakana, tongomalady na bisikileta sns…nitaterana ireo fasika sy vato .

Nisy koa ireo nitatao izany tamin’ny alala’ny sceau.

Resy lahatra tokoa mantsy ny rehetra fa ilaina ny fananana Tranompokonolona ary ny tagnamaro no fomba ahavitana izany haingana ka maro no tonga namaly ny antso izay nataon’ny Delegasionin’ ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Mahanoro.

Nanampy tamin’ny alalan’ny fitaovana, ny Solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Mahanoro.