TAGNAMARO DISTRIKAN’I SAKARAHA FARITRA ATSIMO-ANDREFANA

Ho fampiroboroboana ny fanaovana ny asa-soa iombonana eto amin’ny Distrikan’i Sakaraha dia nisy ny asa fanatsarana ny làlana mankany amin’ny biraon’ny Tontolo Iainana sy fanadiovana ny tokontanin’ny biraon’ny Distrikan’i Sakaraha, izay nanaovana ny hetsika Tagnamaro natao hoan’ity volana Martsa ity.

Nifanome tanana teto avokoa ny Hery velona rehetra izay notarihin’ny lehiben’ny Distrika RAKOTOVAO Harimamy Lalaina sy ny Delegasiona ny Serasera sy ny Kolontsaina ato amin’ny Distrikan’i Sakaraha.