TATITRA TAGNAMARO FORT-DAUPHIN

Fanohizana ny fanatsarana ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena ao Ampasimasay ny Tagnamaro tamin’ity volana nôvambra ity teto Fort-Dauphin.

Voaporofo amin’ny hamaron’ny olona nandray anjara fa resilahatra ny maro fa zava-dehibe ny Tagnamaro amin’ny fanatsarana ny soa iombonana.

Fisaorana eram-po sy eran-tsaina no atolotra ireo hery velona miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana , fikambanana maro samihafa, mponina eo anivon’ny fokontany, izay nanao tanana miara-manapaka sy soroka niara nilanja , ka nahavitana an-tsakany sy an-davany ity Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ity.

Marihina fa nanamora ny fivezivezena sy ny fametrahana ireo akora ilaina amin’ny fanamboarana ny kianja fanaovana « basket » izay aorina amin’izao fotoana izao ao Ampasimasay ireo Tagnamaro natao tao anatin’ny kianjaben’ny Ampasimasay ity.

Midika izany fa miantraika amin’ny asa fanamboarana sy fanarenana ho an’ny fampandrosoana ny Tagnamaro.